Sport

Taranja Tennis U14 sy U15 Tompondakan’I Afrika Aostraly ny Malagasy


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Nisongadina indray ny tanora Malagasy ! Namiratra tanteraka, ary voahosotra ho tompondakan’I Afrika Aostraly na ny tapany atsimo amin’ny taranja “tennis”

mantsy ireo solontenantsika teo amin’ny U14 sy U16 dia i Mirija Andriantefihasina sy Mitia Voavy. Tany Harare Zumbabwe no natao ny fifaninanana, ka ilay teratany Zimbabwéen Tendekai Musabaeka no resin’i Mirija Andriantefihasina teo amin’ny famaranana tamin’ny seta 2 noho 0 (6/4 sy 6/0. Teratany Afrikanina Tatsimo dia i Dladla kosa no resiny tany amin’ny manasa-dàlana. Ho an’I Mitia Voavy, dia teratany Malagasy ihany no nifanandrina taminy tamin’ny famaranana dia i Mitondra Razafinarivo, izany hoe 100% Malagasy teto, ka resiny tamin’ny seta mazava 6/2 sy 6/4 ity mpiray tanindrazana ity. Taorian’ny fifaninana ho an’olon-tokana sy an’olon-doa, nanomboka omaly dia mandray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika tapany Atsimo ho an’ny ekipa ny ekipam-pirenentsika. Fifanintsanana hiakarana ho an’ny fiadiana izay ho tompondaka ho an’ny sokajy zandriny na AJC Team hatao amin’ny volana may io, ka izay ekipa iray tafavoaka ao anatin’izany no hisolo tena ny tapany Atsimon’I Afrika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT