Sport

Taranja Tennis Lasa mpanazatra i Miary Zo Rakotondramboa


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

aorian'ny fiofanana roa taona tao Paris dia lasa mpanazatra manana ny mari-pahaizana frantsay izy ary dia miaraka miasa amin'ny Federasiona frantsay misahana ny katita kely mivondrona amin'ilay antsoina hoe Pôle Espoir. Izany hoe efa tany amin'ny avo lenta satria eia efa nandalo ireo mpisehatra avo lenta ny tennis izy toa ny Mouratoglou ilay nikarakara an'i Serana William. Efa tao amin'ny fianarana ambony tao amin'ny Tennis Académie tao Nice ary amin'izao izy dia mpilalao ao amin'iny klioba AST Herblay ary manana ny haavo teknika 1/6 izy. Tsy nijanona teo abefa i Miary Zo Rakotondramboa satria dia nivoaka ny maha Malagasy azy sy ny finiavany hampiroborobo ny tennis eto Madagasikara. Raikitra ilay resaka ka niatomboka ny 16 desambra 2022 no nanomboka nanangoba firaovana toy ny raquette sy baolina hatramin'ny kiraro sy akanjo izay ho tonga ny volana oktobra izay anaovana ny fampiofanana ho tontosaina eto Antananarivo sy Antsirabe ary Toamasina na Mahajanga. Miaraka amin'ireo teknisianina Frantsay i Miary Zo Rakotondramboa mandritry ny fotoana rehetra. Rehefa nahazo tombony tamin'ity taranja ity hoy izy dia mba mieara indray. Ary tsy mizara fe mizara fotsiny fa mampianatra ireo mpanazatra ihany koa. Fantatany tsara ny zava-misy eto Madagasikara ka izany no nanosika azy hanampy miaraka amin'iny Federasiona Frantsay izay nametraka fitokisana taminy.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT