Sport

Taranja tenisy Raikitra ny fifaninanana iraisam-pirenena karakarain’ny COT


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Hotanterahina manomboka rahampitso alakamisy 15 septambra ary tsy hifanarana raha tsy amin’ny 09 oktobra ho avy izao ilay fifaninana iraisam-pirenena amin’ny taranja tennis hatao eny amin’ny

Club Olympique de Tananarive-COT » Ankadikely Ilafy. Natao hampivondrona tanora maro avy amin’ireo firenena samihafa ity hetsika ity ka anisan’izany ny tanora Malagasy. Anisan’ny handray anjara mavitrika amin’izany ohatra ry zareo Egyptianina, ny Mozambikanina, ny Afrikanina Tatsimo, ny Kenyanina, ny Zimbaboeanina ary isika Malagasy. Sady haneho ny fahaiza-manaontsika Malagasy amin’ity taranja ara-panatanjahantena iray ity araka izany isika no hampahafantatra amin’ireo vahiny tonga ny hakanton’i Madagasikara ihany koa. Hosantarina amin’ny fanokafan’ny « ITF/CAT African Junior Circuit 2022-U 14» ny fifaninana manomboka rahampitso 15 Septambra ka hatramin’ny 18 Septambra ho avy izao izany hoe : haharitra telo andro. Hitohy ny 19 Septambra ka hatramin’ny 22 Septambra indray izany avy eo. Ho hita mandritra ny lalao ary ho afaka handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao lahy sy ny vavy. Ny 26 Septambra ka hatramin’ny 02 Oktobra ho avy izao kosa indray no hanomboka ny « Circuit mondial Junior de l’ITF-U 18 » izay hahitana sokajy lahy sy vavy ihany koa.Hotohizana amin’ny dingana faharoa izany ny 26 Septambra ka hatramin’ny 09 Oktobra izay mbola hiantsoana ny fanohanan’ny mpankafy rehetra indrindra fa isika Malagasy mpampiantrano. Nivoitra ireo omaly nandritra ny fihaonan’ny Federasiona Malagasy ny taranja «Tennis » sy ny mpikarakara ary ny orinasa Star izay mpamokatra ny rano fisotro « Eau Vive », mpanohana ofisialy ny hetsika. Ny « Eau Vive » araka izany no handray an-tanana manontolo ny rano fisotro ho an’ireo mpandray anjara rehetra mandritry ny fifaninanana. Tsiahivina hatrany fa ny rano « Eau Vive » no nahazo ny amboara « Grand Gold » nandritry ny fifaninanana « Monde Sélection » tamin’ny taona 2021.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny Ambodivona omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT