Taranja Taekwondo

Nitarika ny fandrombahana medaly ihany ny malagasy


  • Talata 29 Aogositra 2023

Na teo aza ny lalao voatery naverina ka nanena ny isan’ny medaly volamena azontsika malagasy teo amin’ny taranja

haiady taekwondo dia mbola nitarika tamin’ny fandrombahana medaly teo amin’ity taranja ity ihany isika malagasy, raha ny fampitam-baovao nandritry ny famaranana ity taranja ity ao anatin’izao lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina atao eto amintsika ity. Tsiahivina fa noho ny resaka fiantsoana atleta reinioney izay voalaza fa tsy tanaty lisitr’ireo delegasionin’izy ireo akory fa noforonina na hoe “fictif” na koa hoe matotoa na “fantôme”, hoy ny voambolana nalaza hatramin’ny omaly no tsy naneken’ireto atleta vahiny ireto ny vokatra nahazoan’ny atleta malagasy ho nandresy tsy niady nefa nomena medaly volamena miisa 3 ka nitakian’izy izy ireo ny amin’ny tsy maintsy hamerenana ny lalao. Vokatr’izay dia nivadika ho an’ireto solontena frantsay aty amin’ny ranomasimbe indianina ireto ny medaly volamena miisa 3. Na teo aza anefa izany dia dia nahatratra 24 isa ihany ny medaly azontsika malagasy, raha ny teo amin’ity taranja ity fotsiny. volamena ny 13 amin’ireo. Volafotsy ny 8. Alimo ny 3, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT