Sport

Taranja Rugby Misy manozongozona i Marcel Rakotomalala


  • Talata 25 Aprily 2023

Lany hitantanana ny Malagasy Rugby indray ny faran'ny taona teo ny Filoha Marcel Rakotomalala.

Tsy ny hoe lany fanimpiriny no olana fa ny zava-misy aloha dia lany ara-dalana izy ary efa nankatoavin'ny Federasiona iraisam-pirenena Ny mahagaga anefa dia mikononkonona ireo ligy sasany mikasa ny hanongana an'i Marcel Rakotomalala. Ny zava-misy anefa dia tena mivoatra ny rugby eto Madagasikara.Farany teo izao dia tafiakatra ampahaefadalany ny Makis vehivavy tatsy Afrika Atsimo Ary na dia izay ihany aza dia tokony havela hiasa ny Malagasy Rugby. Ary tokony ho izany no hatao ho an'ireo taranja mahazo vokatra Raha mieritreritra ny hanala izany dia tokony ireo taranja tsy mandeha mihitsy ary efa taona maro toy ny ady totohondry sy ny bisikileta raha tsy hiteny afatsy ireo roa ireo aloha Toy ny mpanazatra ihany rehefa tsy misy vokatra dia tokony manaja tena miala. Fahendrena izany fa tsy sanatria fahalemena ary mari-pitiavana an'ilay taranja. Saingy ny eto amintsika toa mifangaro indraindray ka lasa filana dera sisa no manosika hitondra federasiona.Mampieritreritra ihany.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT