Sport

Taranja Rugby Mankalaza ny faha-100 taonany ny USA Ankadifotsy


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Fotoam-pivavahana natao tetsy amin'ny FJKM Ankadifotsy no nanokafana ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny USA(Union Sportive d'Ankadifotsy) eo amin'ny tontolon'ny lalao baolina lavalava.

Ny taona 1923 no nijoro ity fileovana ity raha tsiahivina ka mpilalao matihanina miisa 2.084 no efa nandalo teo anivony hatrany am-boalohany ka hatramin'izao taona 2022 izao. Miisa 154 kosa ankehitriny ireo mpilalao mandrafitra ny USAnkadifotsy ahitana ireo mpilalao zandriny,tanora ary ny efa zokinjokiny. Teboka 5 no entina hankalazana izao faha 100 taonany izao hoy ny Filohan'ny fankalazana Rakotomalala Fenohasina. Voalohany dia hisy ny lalao telo sosona hotontosaina amin’ny volana Janoary,Aprily ary hofaranana ny volana septambra 2023,hiarahan-dry zareo USAnkadifotsy amin'ireo fileovana misy eto Analamanga izany rehetra izany toa ny eny Ambondrona,Stade Olympique de l'Emirina,ny mpilalaon'Isotry …. Hisy koa ny hetsika ara-kolotsaina indroa miantoana ka eo ny fampirantiana ny tantaran'ny USAnkadifotsy nandritra izay 100 taona nisiany izay,eo koa ny fampisehoana goavana hotanterahina miaraka amin'ireo mpanakanto maro mpiara-miasa sy mpanohana. Arahin'ny fiaraha-misakafo lehibe iarahan'ireo mpilalaon'ny USA sy ny vahoakan'Ankadifotsy izany ! Fa tsangambato 2 goavana kosa no hanamarika ny fankalazana hoy ny filohany ka tsangambato hapetraka eo amin'ny araben'Ankadifotsy ny iray,arahina fananganana salle de musculation fa ny tena goavana dia ny fanomezana asa ireo mpilalao eo anivon'ny fileovana Ankadifotsy ka ireo Raiamandreny mitarika ny fileovana,ny komitin'ny fankalazana,ny fokontanin'Ankadifotsy ary ireo mpandraharaha mpanohana ny USAnkadifotsy no tompomarika. Ity tetik'asa farany ity moa dia natao mba hampifantoka bebe kokoa ireo mpilalao amin'ireo lalao hotanterahiny sy ny fiainana andavan’androny ka hiandrandrana vokatra tsara avy amin'izy ireo. Marihina moa fa ny fileovana USA Ankadifotsy no ekipan’ny baolina lavalava nandrombaka voalohany ny amboaran'ny Filoha teto Madagasikara tamin'ny taona 1959.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT