Sport

Taranja rugby à XV Malagasy Miantso fitoniana i Zoky Fidy Bemasoandro


  • Zoma 01 Desambra 2017

Miantso fampihavanana eo amin’ny olana misy eo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava eto amintsika i Zoky Fidy, mpitantana nandritry ny 23 taona tao amin’ny fileovana Bemasoadro.

 “Tsy hisy tombony ho an’ny taranja ny disadisa ara-pitondrana ka tokony hifanatona, hifandresy lahatra ireo mpitondra, na inona na inona fanapahan-kevitra efa noraisina, ho mariky ny fitiavana ity taranja ity », hoy izy omaly. Naneho ny alahelony noho ny toe-draharaha manapotika ny taranja rugby amin’izao fotoana izao i Zoky Fidy ka nilaza ny fahavononany ho mpanelanelana mihitsy raha ilaina. Soso-kevitr’i Zoky Fidy ny hiverenana amin’ny fifaninanana Top 14 nahazatra, hialana amin’ny tsy fitovian-kevitra ka hampiakarina izay tokony hiakatra ary hampidinina izay latsaka. Tsy mety amin’i Zoky Fidy ny nametrahana ny Top 9 fa aleo kokoa aza ny Top 16, araka ny heviny, ka handraisana ny laharana fahatelo sy fahefatra tamin’ny fifaninanana inter-section ho ao anatiny. Tanjona ny hampivondronana indray ny tontolon’ny baolina lavalava, hiverenan’ny hasin’i Madagsikara hatramin’izay”, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT