Taranja lomano

«Aza asiana mizàna tsindrian’ila ny fifantenana ireo atleta!»


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Manoloana ny savorovoro mikasika ny fampandraisana anjara ireo atleta malagasy hiatrika ny lalao

olaimpikan’i Parisy 2024 na ny «Jeux olympiques de Paris 2024», izay ho atao ao Paris, Frantsa ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra 2024 izao, dia naneho ny heviny ihany koa ny tovovavy mpilomano malagasy, Hoby Antsa Rabejaona. Ny mikasika ny tapakila manokana ho an’ireo mpilomano na Universality/WildCard moa no tena nitondrany fanazavana. Manana fahafahana handefa atleta miisa 2, lahy sy vavy, mahafeno ny fepetra takian’ny federasionina iraisampirenena na World Aquatics, izany hoe WA, hoy izy, i Madagasikara. Mba hahafahan’ny atleta iray miaro ny voninahitrana firenena iray dia ilaina ny fipetrahan’io atleta io tao amin’ilay firenena, fara faha keliny, 3 volana. Anton’io fitsipika io ny fiantohana ny maha izy azy ny mpifaninana sy ny tsy fivadihany amin’ny lokon’ilay firenena isalorany. Somary idirako kokoa ny momba ahy manokana satria raha jerena io lalàna vaovaon’ny WA io, dia tokony ho isan’ireo isafidianana hahazo ny Wildcard ho any amin’ny lalao olaimpika koa ny tenako. Tsara ny manamarika fa mitaky karazana fifaninanana ho fifanintsanana ary fotoana fifanintsanana izay nifarana ny 23 jona ity ny WA. Mazava ny voalazan’ny fitsipika fa izay mahazo isa be indrindra no tafakatra. Marihiko fa misy karazany maro ny fifaninanana amin’ny lomano. Atleta maro koa no mety hahavita zavatra tsara indrindra eo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny alalan’ireo karazam-pifaninanana ireo. Mba hahafahana mandahatra ireo mpilomano dia nametraka fomba famaritana miainga amin’ireo zava-bita tsara indrindra maneran-tany amin’ireo karazam-pifaninanana misy ny WA. Taorian’ny fifaninanana nataoko tao Maorisy, izay isan’ireo fifaninanana voasoratra ho isan’ireo fifanintsanana, dia nahazo ny laharana voalohany iraisampirenena amin’ireo mpilomano mavitrika indrindra eto Madagasikara ny tenako. Nahazo isa 647 aho teo amin’ny fifaninanana 50m, lomano malalaka na «nage libre». Lomano olaimpika io saingy noho ny antony izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipika misy dia tsy mety tafiditra ho isan’ireo ho sarihina intsony ny anarako. Miantso ny federasionina malagasin’ny lomano ny tenako ankehitriny, Madagascar Aquatics, ny komity olaimpika malagasy, mba aza asiana mizàna tsindrian’ila ny fifantenana ireo atleta! Omeo fahafahana mitovy izahay hampiseho ny tena talentanay! Izahay tsirairay avy ireo dia niasa mafy sy namoy zavatra maro nandritry ny fotoana naha mpilomano anay. 15 taona mahery no nilomanosako ka heveriko fa mba fara-fahakeliny angamba izany mendrika ny ho ao anatin’ny lisitr’ireo azo ho fantenana. Avelao ny federasionina iraisampirenena no hamoaka ny teny farany, hoy hatrany ity mpilomano ity. Anio 24 jona moa no fara-fanomezana izay anarana izay amin’ny federasionina iraisampirenena. Ny 3 jolay izao kosa ny World Aquatics na WA no hamoaka ny fanapahan-kevitra farany momba izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT