Sport

Taranja Kick Boxing Mangingina ny Malagasy, misongadina ny Maorisianina


  • Talata 17 Mey 2022

Mangingina ny Malagasy, tompon’amboara kosa ny Maorisianina. Izay hatreto no azo hamintinana ny tontolon’ny taranja Kick Boxing aty amin’ny ranomasimbe indianina.

Naneho ny hafaliany sy ny fahafaham-pony omaly ry zareo Maorisianina mikasika ny vokatra azony nandritry ny amboara eran-tany na “coupe du monde” natao tany Torkia. Medaly volamena miisa 2, volafotsy 2, alimo 1. Izany rehetra izany no norombahan’i Maorisy raha toa tsy nandray anjara kosa i Madagasikara. Hampiantrano ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina ny taona 2023 na JIOI 2023 koa anefa isika. Aiza ho aiza ny fanomanana sa hoe efa antsika ve ny tanana? Samy mpandresy amin’ny traikefa sy fivoarana, hoy hatrany ry zareo Maorisianina omaly, ary dingana hatrehina manaraka indray izao ny tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy zandriny na “championnat du monde juniors” atao any Venise, hoy hatrany izy ireo.Tsara ho marihana fa anisan’ireo taranja vaovao nampidirina hifaninanana mandritra ny lalaon’ny nosy 2023 ny Kick Boxing, ary ny Jeneraly Lylison de Réné no filohan’ny federasionina ankehitriny.
J. Mirija
Legende : Miroso ny Maorisianina
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT