Sport

Taranja Judo sy fibatana fonjamby Nomena mariboninahitra ireo malagasy tompondaka


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Notontosaina tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly 3 aogositra 2022 ny lanonana fanomezana mariboninahitra ireo atleta malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika teo

amin'ny taranja Judo sy fibatana fonjamby. Nandritra izany lanonana izany no nanoloran'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny medaly sy mari-boninahitra "Chevalier de l'Ordre de Mérite de Madagascar" ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto. Manohana hatrany ny fanatanjahan-tena malagasy ny fitondram-panjakana ary namaly avy hatrany ny fangatahan'ny filohan’ny federasionina roa tonta ny filoham-pirenena ka omena toerana mendrika azy ireo taranja roa ireo amin'ny alalan'ny fametrahana "dojo national" manara-penitra. Toerana izay efa entin'ireto atleta ireto hanomana sahady ny lalaon'ny Nosy amin'ny 2023 ary ny lalao olimpika izay hatao any Frantsa amin'ny taona 2024 izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT