Sport

Taranja judo Nanolotra fanampiana 66019Euros ny Japone


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Andro malaza ho an'ny taranja tokona na judo malagasy ny andro omaly. Toy ny mana avy any an-danitra ny

fanampian'ny Governenta japoney ny judo Malagasy, ka nanoezany ny federasiona vola 66019 euros na 258 tapitrisa ariary hampitaovana ny dojo nasionaly amin'ny lafiny rehetra. Tafiditra amin'izany vola be izany ny “tatami” sy ireo fitaovana hikolokoloana vatana. Omaly tetsy amin'ny hotely Le Louvre etsy Antaninarenina no nanaovana ny fanolorana ka nahitana ny Ambasadaoro japoney miasa eto amintsika, SEM Abe Koji sy ny filohan'ny judo eto Afrika Siteny Randrianasoloniaiko. Mbola nitondra vqovao mahafaly ny judo malagasy izay tarihin'I Saïd Bruno Eric ihany koa izy ka nanambara fa hatao eto Antananarivo ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny sokajy Cadets sy Juniors.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT