Sport

Taranja Judo Manomboka mahaliana ny ankizy sy ny tanora


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Manomboka mahaliana ireo ankizy sy tanora eto amintsika ny taranja Judo ankehitriny. Sady hahafahana mitaiza vatana mantsy izy no hahafahana mifehy ny fihetseham-po ihany koa saingy mila finiavana.

 Betsaka ireo karazana tranga iainana mandritra ny fanaovana judo  izay vao mahatafita hatrany ivelany, raha araka ny fanazavan’ireo ankizy mpianatra sendra ny gazety Tia Tanindrazana. Ilana fotoana manokana, hoy izy ireo hampivadiana amin’ny fianarana. Mahare marary ihany koa ianao eny anelanelany eny. Mety ho menatra ihany koa indraindray noho ny fihetsika tsy voafehy tsara. Tovovavy mpianatra judo teratany Malagasy roa no nalefa hianatra sy handalina ity taranja ara-panatanjahantena iray ity any Sina  ny faran’ny herinandro teo. Telo taona izy ireo no hijanona any an-toerana ka rehefa fotoanan’ny vakaney lehibe ihany vao mahazo mody eto an-tanindrazana. Anisan’ny manohana akaiky azy ireo ny Airtel noho ny fahatsapan’ity orinasam-pifandraisana iray ity fa anisan’ny fomba iray hahafahana mampanjaka ny fifanajana, ny finamanana eo amin’ny samy tanora, ny fifanampiana, ny fifehezan-tena ary ny firaisankina ny taranja Judo. Vonona araka izany izy ireo ny hanampy ny federasionan’ny taranja Judo eto amintsika indrindra taorian’ny sonia fifanekem-piaraha-miasa notanterahin’ny roa tonta ny faran’ny herinandro teo.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT