Taranja Golf

Kianja iray no nahazo fankatoavana


  • Talata 18 Febroary 2025

Nandray ny filohan'ny Federasiona malagasin'ny taranja Golf na FMGolf vaovao,

Maminirina Ravatomanga, sy ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena omaly hariva. Nifampizara ireo vina izay apetraky ny minisitera araka ny toromarika nomen'ny filohan'ny repoblika no tena anton'ity fitsidihana ara-pirahalahiana ity, hoy ny fampitam-baovao voaray. Atao mitovy tantana avokoa ireo federasionina rehetra araka ny nambaran'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha. Niresaka indrindra mikasika ny fomba hahafahan'ny federasionina misitraka ny fanampian'ny fitondram-panjakana rehefa handeha hiaro ny voninahi-pirenena any ivelany ny roa tonta. Araka izany dia tonga nanolotra ny satan'ny federasionina, ny drafitr'asa isan-taona, ny taratasy ahitana ireo mpikambana ao amin'ny biraon'ny federasionina ny FMGolf izay notarihan'ny filohany. Betsaka ny fandaharam-potoana ao anatin'ny 4 taona hoy i Maminirina Ravatomanga. Miankina amin'ny ezaky ny tsirairay avy, hoy izy, izany amin'ny maha taranja iraisampirenena azy. Nasiany resaka koa ny mikasika ny kianja filalaovana izay mbola ilàna fanitarana. Kianja iray no nahazo ny fankatoavana ary ao anatin'ny drafitr'asa, hoy izy, ny fanitarana ireo kianja fanaovana fanazaran-tena, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT