Sport

Taranja « Bodybuilding » Tafody an-tanindrazana omaly ireo mahery fo


  • Talata 12 Oktobra 2021

Nigadona an-tanindrazana omaly 11 Oktobra 2021 ireo atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany taranja « Bodybuilding » izay natao tao Uzbekistan ny 3-6 oktobra lasa teo

. Nitsena an’ireo mahery fo ny komity olaimpika Malagasy notarihan’ny Filohany Atoa Siteny Randrianasoloniaiko. Tonga nanome voninahitra sy nitsena azy ireo teny Ivato ihany koa ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa Rakotozafy izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Mamod'Ali Hawel. Raha tsiahivina, dia voahosotra ho tompondaka eran-tany lefitra, nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny sokajy latsaky ny 167sm i John Mario Randrianarimanana (Bigman de Madagascar) ; Nahazo medaly volafotsy toy izany ihany koa i Maurice Marinjara ho an’ny sokajy latsaky ny 175sm. Nahazo medaly alimo roa kosa I Nivo Zo Randriatahina tamin'ny sokajy vehivavy « athlétique physique ». Tanjontsika hatrany ny ny hanandratra avo ny voninahi-pirenenana Malakasy, hoy i John Mario Randrianarimanana. Mbola afaka nanao tsara kokoa noho ireny ny atleta tamin’ny fisoloana tena ny tanindrazana sy ahafahana mitondra medaly mody, kanefa nisy ireo tsy afaka niantoka ny fivahinanany tany ivelany, raha ny nambaran’i Abamaronjaka Randriamampianina. Vokatry ny tolo-tànana nataon’ny Filohan’ny Federasionin’ny fibatana fonjam-by Harinelina Randriamanarivo sy ny tsipaipaika nataon’ny atleta no nahafahana namonjy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Rehefa tena zohiana, vokatry ny tsipaipaika manokan’ny atleta sy ireo akaiky azy no nahafahan’izy ireo nandeha niaro ny voninahi-pirenena. Toa tsy noraharahian’ny Fanjakana na nampifilafilaina, ka nanao izay ho afany tamin’ny herim-pony. Voninahitra goavana izany fahazoana anaram-boninahitra tompondaka lefitra eran-tany izany, kanefa na ny minisitry ny Fanatanjahantena aza tsy nipoitra fa mbola solontena no nalefa. Satria mety mbola tsy mahaliana olona maro sy tsy sarotra ny hanao fitaovana politika azy ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT