Sport

Taranja baskety Namoaka mpanazatra 13 mianadahy ny FFPRO Antsirabe


  • Talata 16 Janoary 2018

Namoaka mpanazatra na “Coach” ho an’ny taranja Basket-ball ny klioba FFPRO Antsirabe. Niisa 13 mianadahy ireo indray navoaka ny sabotsy 13 janoary lasa teo, tao amin’ny Hotel de Thèrmes.

Raha ny fanazavana nomen’ny Atoa Razafiarivony Angelo, mpampiofana eo anivon’ny Féderasionan”ny taranja baskety, anisan’ny klioba sambany sy voalohany nahavita nanafatra mpampiofana niantoka ny fampiofanana manontolo ho an’ireo mpanazatra teto Madagasikara ny FFPRO Antsirabe. Azo antoka fa hitondra fivoarana ho an’ny taranja Baskety eto Vakinankaratra ny nataon’ny FFPRO Antsirabe ka tokony halain’ny faritra hafa tahaka, hoy izy. Nambarany fa nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena tanteraka ny fiiofanana ary nisy ny fanadinana namoahana ny fanamarinam-piofanana ho an’ireo 13 mianadahy ireo. Raha ny fanazavana nentin’i Didy Alpha, mpitarika ny FFPRO Antsirabe dia nanomboka ny 15 novambra ka hatramin’ny 31 desambra 2017 no niofana izy ireo, 72 ora no faharetany. Nohamafisiny fa tokony ho ny Ligy no hikarakara ny fiofanana saingy tsy afaka nanao izy ireo.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT