Sport

Taranja Baskety Mpanazatra 35 no nahavita fiofanana


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Tontosa soamantsara ny fiofanana ho Mpanazatra" Young Coach" eto Analamanga nokarakarain’ny federasionina malagasin’ny basketball na ny FMBB sy ny CEBB ary ny Ligy Basket Analamanga

 izay nanomboka ny 20 Jolay hatramin’ny 27 jolay 2021 teo. Nizara roa moa izany fiofanana izany dia ny teoria sy fampiharana, raha ny fanazavana. Miisa 41 ireo mpiofana ka 2 ny vehivavy raha toa ka 39 ny lehilahy. Santatra ambava rano ihany izy ity fa tsy ho latsa-danja ihany koa ny any amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy, hoy ny mpikarakara. Ny 23 jolay teo no tonga nitsidika ireo mpiofana ny filohan'ny federasionina malagasin’ny Basketball, Jean Michel Ramaroson. Tamin'io no nanararaotany nisaorana ireo mpandray anjara rehetra, ny ligy Analamanga ary ny CEBB Mada - Officiel tamin'ny fikarakarana. Nanentana ihany koa ny tenany ho an'ireo mpiofana rehetra mba hiditra sy hitantana ireo klioba ato anaty rafitra federaly mba hahafahana mampiakatra ny lentan'ny Baskety Malagasy. Tontosa omaly moa izay famoahana tamin'ny fomba ofisialy ireo mpanazatra nahavita izay fiofanana "Young Coach" na mpanazatra tanora teto anivon'ny ligy Analamanga izay ka tamin’ireo mpiofana miisa 39 niofana dia ny 35 no afaka raha mamerina fiofanana kosa ny 4.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT