Sport

Taranja Basket Hizara ny traikefany I Danz


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Tsy zoviana ho an`ny besinimaro indrindra ho an`ireo mpitia ny taranja Basket Ball I Andry Andriamampandry dit Danz. Efa nahazo amboara maro moa ny tenany tamin` ity taranja ity ary efa nitondra avo ny firenena tany ivelany.

 

 

 Anjara birikiny ho fanatsarana ity taranja ity dia hanatanteraka fampiofanana any Andramasina ny sabotsy izao. Hanampy azy koa teknisianina vehivavy iray mandritra izany. Ny fiomanana ara-batana sy ara-tsaina moa no tena hibahana mandritra izany fiofanana izany. Mila mahafehy tsara ny fitsipika mifehy ity taranja ity sy ny fampiharana izany. Tanjona moa dia ny fizarana traikefa sy hampitomboana ny lentan` ny mpilalao Malagasy eo amin` ny taranja basikety. Tena ilaina ny fanarahana fiofanana toy izao hahafahana mampitombo ny fahalalana indrindra ho an`ny firenena toa an`I Madagasikara. Tsara no manamarika fa I Danz dia efa mahafeno fepetra ho mpanazatra. Nilalao tany Seychelles izy nanomboka ny taona 2016. Efa niverina eo anivon` ny GNBC izy amin` izao.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT