Taranja Basket Ball

Nodimandry i Bomba


  • Zoma 01 Desambra 2023

Hatairana ny tolakandron’ny omaly ny an’ireo mpankafy taranja Basket Ball.

Nodimandry i Herilanto Randriamanalina, fantatry ny rehetra tamin’ny fiantsoana hoe Bomba. Mpanazatra ny ASCUT na “Association sportive et culturelle de la commune urbaine de Toamasina” moa no nahafantarana azy farany nialoha izao fodiamandriny izao. Maro ireo klioba nilalaovan’i Bomba tanatin’ny fahatanorany toy ny tao Antsirabe sy Mahajanga. Efa nisalotra ny fanamian’ny Mad Consult sy Sebam ary io ASCUT izay noraisiny an-tanana amin’ny maha mpanazatra taty aoriana io. Efa nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy zokiny lehilahy (Séniors hommes), nandritry ny lalaon’ny nosy 2015 tao La Réunion ary avy eo dia nitondra ny ekipam-pirenena latsaky ny 16 taona na U16 nandritry ny Afrobasket ny taona 2017. Efa nandrafitra ny klioban’i BBCM Analamanga, sokajy zokiny na “vétéran”, koa izy saingy na dia iny nampidirina haingana omaly tetsy amin’ny CHU-JRA Ampefiloha iny aza moa omaly ny lehilahy dia tsy nahatana ny ainy intsony izany. Mirary fiononana feno ho an’ireo mpankafy ity taranja ity hatrany sy ireo akaiky an’i Bomba ary ny fianakaviany manontolo moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT