Sport

Taranja Basikety malagasy « Mbola sahirana amin’ny halavana isika. »


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Niha tsara ny vokatra eo amin’ny taranja basikety Malagasy tato ho ato, hoy ny teknisianina sady mpanazatra ny MB2ALL, Ndranto Rakotonanahary.

 

 

Ohatra niaraha-nahita ny tany amin’ny lalaon’ny nosy farany teo fa ny basikety ihany no taranja iombonana nahazoana medaly miisa 2. Tany amin’ny 13 taona lasa isika no nahita izany farany, hoy izy. io taranja io ihany koa no feno tao anatin’ny taona iray satria ny sokajy na “catégorie” rehetra dia nahatontosana fifaninanana avokoa. Mila manana vina anefa isika, hoy hatrany izy, ary mbola hita ho sahirana amin’ny halavana ny Malagasy. Tokony hihamafy ny fitiliana eo amin’io resaka io dia mba tsy ho latsaky ny 1,90 metatra ny vehivavy ary 2 metatra ny lehilahy. Nahitantsika tombony anefa ny tsy fahampiana halavana ka nahazoantsika medaly volamena tany amin’ny lalao afrikanina. Ny antony, hoy hatrany izy, dia mahazo vahana isika amin’ny lalao 3x3  na kianja tapaka satria haingana kokoa saingy hita ho nanahirana foana io rehefa lalao 5x5 na kianja feno.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT