Sport

Taranja baolina lavalava Manana ny ho aviny Anosizato Andrefana


  • Talata 07 Janoary 2020

Manomana ny ho aviny ary tena manana tombony amin’ny filalaovana baolina lavalava ny tanoran’Anosizato Andrefana.

Mitohy hatrany ihany koa moa ny fanohanan’ny FFAM (Force féminine d’aide Mutuelle) ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjahan-tena ao izay notarihin’ny filohan’ny fikambanana Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah. Tontosa tamin’ny Alahady 5 Janoary lasa teo ny lalao aram-pirahalahina izay nifanandrinan’ny Ekipa 2 tonta dia ny Selection Itasy sy ny Rugby Force Anosizato Miray tsy mifezaka (RFAM) izany. Tamin’izany dia nibata ny amboara tamin’ny isa 49 noho 7 ny RFAM tsy Mifezaka tao anatin’ity lalao ity. Tsiahivina fa efa fanaon’ny fikambanana FFAM hatrany no mikarakara hetsika ara-panatanjahantena am-pirahalahina tahaka itony. Tanjona ny fampiroboroboana ny tontolon’ny taranja baolina lavalava ao Anosizato Andrefana sy ny hifanakalozana traikefa eo amin’ny samy ekipa ho fanatsarana ny lenta sy ny fahaiza manaon’ny mpilalao. Hita taratra tao anatin’ity lalao aram-piralahiana ity fa tena manana ny ho aviny ny tanora Malagasy eo amin’ny taranja baolina lavalava ary rariny raha ampirisihina sy tohanana amin’ny lafiny rehetra hoy ny fikambanana ny FFAM hananana ho avy mamiratra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT