Taranja ady totohondry

Kasaina hatao eto ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika


  • Talata 09 Janoary 2024

Hitohy hisesisesy ny fifaninanana eo amin’ny taranja ady totohondry rehefa

mitsahatra ity orana ity, hoy ny filohan’ny federasionin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Amin’ny volana aogositra ny tompondaka nasionaly, hoy izy. Amin’ny martsa ny fifanintsanan’ny lalao olaimpika any Italia. Mandray anjara izahay. Mandray anjara koa amin’ny dingana faharoa na “2é phase” any Thailand. Rehefa tsy tafakatra atsy dia mba tafita aty. Mba mangataka ny fanampian’ny komity olaimpika amin’izay. Hanavaozana ny ekipam-pirenena io tompondaka nasionaly io. Eo am-panaovana taratasy izahay izao ho an’ny 2025 handray ny tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, ho atao aty Madagasikara. Nanatrika ny kaongresin’ny IBA tany Dobay ny tenako ny 7 desambra 2023. Vonon-kanohana antsika amin’izany ireo namana afrikanina. Heverina, noho izany, ny hanaovana ezaka hahafahantsika mandray ny tompondakan’i Afrika lahy sy vavy eto Madagasikara amin’izay 2025 izay. Anaty fifanankalozan-kevitra amin’ny minisitera aloha mialohan’ny andefasana taratasy any amin’ny AFBC Afrique. Tanjona ankoatran’izay ny hametrahana akademian’ny ady totohondry eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028. Anjarantsika no mijery ny toerana dia mandefa matihanina iraisampirenena aty ny any ivelany hijery azy. Tsy i Madagasikara irery tsinona no ho ao anatin’io fa mety ny aty amin’ny ranomasimbe indianina manontolo. Niteny moa ny AIBC na ny federasionina iraisampirenena hoe mbola mitohy ny filankevitra olaimpika mikasika ny ady totohondry malagasy. Tsy mbola asiana fifidianana aloha raha tsy voadinika ny zava-misy rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT