Taranja ady totohondry

15 taona mahery tsy novatsian’ny fanjakàna


  • Talata 18 Febroary 2025

15 taona mahery izany izao, raha ny angom-baovao voaray, no tsy novatsian’ny fanjakàna malagasy

na koa hoe tsy nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fanjakàna malagasy ny taranja ady totohondry eto Madagasikara. Matetika nanao antsoavo ny amin’ny tokony hijerena ity taranja ity moa ny federasionina. Velon-taraina ny amin’ny tsy fahampian’ny fifaninana koa etsy ankilany ny mpikatroka sy mpankafy ity taranja ity noho izay tsy fahampian’ny enti-manana eo amin’ny fikarakarana isan-karazany izay. Hatreto dia ny komity olaimpika malagasy no mankato ny itarihan’ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa, izany federasionina izany fanindroany indray eto an-toerana, araka ny fifidianana tontosa ny volana desambra teo, raha toa ka tsy nanaiky izany ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, noho ny antony voalaza fa antomotra loatra ny fampiantsoana na «convocation», tamin’izany fikarakaràna fifidianana izany, raha toa ka nahatonga solontena kosa ny teo anivon’ny komity olaimpika. Taorian’ny fahalaniany indray anefa dia navela niatrika ny fivorian’ny AIBA na ny federasionina afrikanina sy ny IBA na ny federasionina iraisampirenena tany Dobay ny filohan’ny federasionina lany fanindroany. Izany hoe nahazo fankatoavana iraisampirenena ny fitantanana eto Madagasikara tarihin’ity filoha lany fanindroany ity. Miteraka adihevitra, etsy ankilan’izay, ny hoe ho potehina ve izany ny taranja ady totohondry eto Madagasikara? Tsy mbola nitondra na inona na inona teto amin’ny firenena mihitsy ve no tratry ny fanilikilihana toy ny taratra ho mahazo azy ankehitriny? Maro, ankoatran’izay, ireo taranjam-panatanjahantena tsikaritra ho tsy voajery sy efa nitondra fitarainana tahaka izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandraisana nangatsiaka an’ireo solontena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe nahavita be tamin’ny tompondaka eran-tany farany teo. Toy izany koa ny taranja fibatàna fonjamby sy Kick Boxing ary haiady samihafa. Rehefa taranja inona no mahazo fitsenàna makotrokotroka no sady mahazo fankasitrahana manokana na «prime» dia rehefa inona no toy ny tsy fantatry ny fitondràm-panjakàna malagasy akory na dia ny fisiany aza?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT