Tapakilan’ny lalao olaimpika

Mbola tsara toerana i Laura Rasoanaivo


  • Talata 06 Febroary 2024

Taorian’ny faharesena tao anatin’ny Grand Slam de Paris nanoloana

ilay Frantsay Florine Soula, dia manohy ny fanovozana traikefa amin’ny fandraisan’anjara amin’ilay Training Camp International karakarain’ny Federasionina Frantsay eo amin’ny taranja judo i Laura Rasoanaivo. Ireo sangany maneran-tany amin’io taranja io no miatrika an’izany mandritra ny 4 andro ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny judoa any Frantsa. Aorian’ny any Paris, dia hiazo an’i Dunavarsany any Hongrie ihany koa i Lura Rasoanaivo, ary hijanona 3 volana any amin’ny Foibe olaimpikan’ny Federasionina iraisam-pirenena. Voafaritra ihany koa anefa, fa hiatrika ny lalao Afrikanina amin’ny volana martsa sy ny fiadiana ny tompodakan’i Afrika Seniors amin’ny volana aprily i Laura Rasoanaivo. Tsara toerana hatrany amin’ny filaharana amin’ny lisitra olaimpika i Laura Rasoanaivo, raha ny ambaran’ny federasionina Malagasy. Laharana faha-4 amin’ny 12 eo amin’ny fifanintsanana kaontinantaly izy amin’izao, ary manana isa 1067. Ho an’i Afrika dia voalaza fa 12 avy na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy ny « quota » isaky ny sokajy, afaka ny handray anjara amin’ny lalao olaimpika any Paris.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT