Tapa-bolana tsy hihaonana amin’i Kaomoro

Miha mipoitra ny disadisam-pitantanana ny Barea


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tapa-bolana tsy hihaonana amin’ny ekipam-pirenena kaomorianina eo amin’ny taranja baolina kitra

no miha mipoitra hatrany ankehitriny fa misy disadisa teo amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ao anatin’izao fiomanana amin’ny fiatrehana ny tohin’ny fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany amin’ny taona 2026 izao. Teo moa ny resaka fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalao fa isan’ny nanaitra ireo mpankafy baolina kitra malagasy koa omaly ny fanehoan-kevitry ny isan’ireo mpitantana na STAFF teo aloha, Lalaina Nomenjanahary na Bolida, mikasika izay zava-misy izay tao amin’ny tambazotran-tseraserany na dia tsy nivantana aza. Mpiatsaraivelantsihy, hoy ity lohalaharan’ny Barea teo aloha ity. Tsory, hoy izy, ny marina fa aza mandainga lava eo. Zakao ny vokany, hoy ihany izy! Nilaza moa ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô, fa tsy avy aminy no antony nialan’i Bolida tsy ho isan’ireo STAFF anatin’ny ekipam-pirenena intsony. Ny 7 jona izao, raha tsiahivina, no handray ny lalao mandroso izay tokony hampiantranoantsika, saingy voatery atao any an-tanin’olona, manoloana ny ekipam-pirenen’i Kaomoro ny Barean’i Madagasikara. Irariana, noho izany, mba ho voavaha ara-potoana ny olana rehetra, fa indrindra, tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ireo mpilalao malagasy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT