Taorian’ny olana maro tany ivelany

Hiverina hilalao ao amin’ny CFFA Rakool


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Hiverina hilalao eto Madagasikara ao amin'ny CFFA Andoharanofotsy indray i Razafindranaivo Koloina

na Rakool taorian’ny olana sy sedra samihafa natrehany tany ivelan’i Madagasikara. Raha hiverenana, ny CHAN 2022 izay nampisongadina ny Barea A’ no nampamiratra azy. Novidian’ny Klioba Mouloudia Alger ao Algerie ny janoary 2023. Nohamaivanin’ny klioba sy tsy dia nahazo lalao firy, ary notapahan’io klioba io an-keriny teny antenantenany ny fifanarahana izay tokony ho ny 2026 vao tapitra. Nifindra tany Frantsa, nilalao tamin’ny Kloban’ny Arles FC Regional 1 na D6. Ny aogositra 2024 anefa, niparitaka ny vaovao nilaza fa misedra olana i Rakool. Tapitra ny fe-potoana nilalaovany tao amin'ny Arles ka tsy mbola nahita klioba vaovao izy. Tsy afaka nanohy nilalao tany France nefa izy noho ny olana ara-taratasy. "Rehefa mandefa mpilalao any ivelany ianareo dia araho hatramin'ny farany izy fa tsy hoe vao azo ny vola dia avela irery izy.", hoy ny ny Kapitenin’ny Barean’i Madagasikara teo aloha Faneva Ima tamin’izany fotoana. Miverina eto an-tànana, maka aim-bao mba hahafahana miatrika fanamby vaovao indray izany Rakool manomboka eto, na mety henjakenjana ihany aza ny mieritreritra an’ilay tsy maintsy fodiana eto an-tanàna. Inoana anefa fa nahazoany lesona sy hahafahany manatsara kokoa ka hikirizany hatrany ho lasa lavitra ny sedra niainany. Mba naka lesona tamin’ny toe-javatra nahazo ity mpilalao Malagasy ity sy ireo hafa mety lasibatra toa azy kosa ve ny Mpitantana ny baolina kitra isan’ambaratongany eto amintsika ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT