Taorian’ny CHAN

Mety hovidian’ny Anse Reunion i Fely…


  • Alarobia 03 Septambra 2025

Miparitaka ny vaovao milaza fa hilalao ao Seychelles ao amin'ny

Anse Reunion i Félicité Mantantsoa na Fely rehefa nahavita taom-pilalaovana maro tao amin'ny Fosa Juniors Fc. I Fely izay isan’ireo mpilalao nisongadina, indrindra fa tamin’ny baolina matiny nandritra ny famaranan’ny CHAN nifandonana tamin’i Egypte vao teo amin’ny minitra faha-9. Voalaza mihitsy fa andrasana ao amin’ity klioba tompondaka lefitra ao Seychelles ity i Fely ao anatin’ny 15 andro, hiaraka hilalao amin-dry Veve, Benny, Richard, izay mpilalao Malagasy avokoa. Manomboka malaza io, saingy andrasana ny haha ofisialy azy. Hatramin’izao mantsy, tsy mbola nisy fanamafisana ofisialy milaza fa hilalao ao amin’ny Anse Réunion FC i Fely, mpilalao Barea nandray anjara tamin’ny CHAN 2025. Andrasana noho izany ny filazana ofisialy raha tena hikopa-kelatra atsy Digue Seychelles tokoa ity mpilalao Malagasy ity. Mikasika mpilalaon’ny Barea CHAN voalaza fa hikopa-kelatra dia i Lalaina hatreto no voalaza fa hampindramina an'ny Paradou AC any Algérie mandritra ny taom-pilalaovana iray, raha mbola somary mijanona ho siosio avokoa ny resaka momba ireo mpilalao hafa. Irariana kosa anefa ny hahafahan’ireo mpilalao handeha hisidina amin’ny lafiny matihanina kokoa hatrany. Mbola misy ny fifanintsananana hiadiana ny tapakilan’ny « mondial 2026 » izay fanararaotra ho an’ireo mpilalao vao misondrotra maneho ny talentany sy hahitan’ny mpitsirika azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT