Sport

Taom-pilalaovana vaovao ny taranja Tolona Malagasy Hatomboka amin’ny alahady 10 febroary 2019


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Mahavelom-panantenana ny hoavin’ny fanatanjahantena Malagasy amin’ny fisian’ny vina matotra voafehin’ny velirano navoatran’ny IEM voalazan’ny ministra Tinoka Roberto tamin’ny famindram-pahefana natao teto Mahamasina,

 

 

hoy ny filohan’ny Federasion’ny taranja Tolona Malagasy, Raveloson Mamitiana, tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina tamin’ny alatsinainy teo. “Sport autrement” no  filaza azy teo, hoy izy, ka mirary soa ho azy hahavita be eo amin’ny asa hiantsorahany isika.

Mikasika ny taranja tantanako kosa, hoy ity filohan’ny federasion’ny taranja tolona ity, dia hatomboka etsy amin’ny kianja mitafon’Akorondrano Antananarivo amin’ny alahady 10 febroary 2019 izao ny taom-pilalaovana vaovaon’ity taranja ity ka hisantarana an’izany ny fifaninanana isan-tarika sokajy “cadets”, “junior”, “senior”. Ny raikipohy vaovao navoakan’ny FILA na Federasiona Iraisam-pirenen’ny taranja Tolona no hampiharina amin’ny fifaninanana, hoy izy, mba hahafahan’ireo mpifaninana mameno ny “catégories” ilaina amin’izany. Efa mitily an’ireo taninketsa koa ny taranja Tolona, hoy izy ary hanomana koa ny handraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Tonizia amin’ny volana aprily izao sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho tontosaina any Kazakhstan amin’ny volana septambra 2019. Mba mampalahelo kosa anefa, hoy ny filoha Mamitiana, ny tsy handraisan’ny taranja tolona anjara amin’ny lalaon’ny nosy intsony efa ho 12 taona katroka izao nefa dia velirano mety handrombahan’ny Malagasy medaly maro ity taranja ity tahaka ny lalao natao teto amintsika farany tamin’ny taona 2007.

 

Ntsoavina Evariste

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT