Sport

Taom-pilalaovana Badminton Malagasy 2018 Hofaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka olon-droa miaraka


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Nambaran’Atoa Ravalison Jean Aimé filohan’ny Federasion’ny Badminton eto Madagasikara tamin’ny firesahany tamina mpanao

gazety vitsivitsy tamin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara eo amin’ny sokajin’olon-droa miaraka lehilahy sy olon-droa miaraka vehivavy izay hotanterahina etsy amin'ny kianja  mitafon'Akorondrano amin'ny sabotsy  2 sy alahady 3 febroary 2019 ho avy izao no hamarana ny  taom-pilalaovana 2018 eo amin'ny taranja Badminton Malagasy. Rehefa vita ny hetsika,  hoy ity filohan’ny federasiona ity, dia hiroso amin’ny fanovana ireo rafitra an-tanatohatra rehetra mitantana ity taranja ity izahay ka hanombohana an’izany ny fifidianana eny anivon’ireo klioba mandray anjara amin’ny fifaninanana Badminton, tohizana amin’ny fifidianana  mpitantana ireo seksiona sy ligy misy ary hofaranana amin’ny fifidianana rafitra Federasiona. Efa tapitra mantsy ny 4 taona nitantanan’ireo mpiandraikitra isan-tsokajiny ny taranja Badminton Malagasy rehetra.

 Ntsoavina Evariste

 




Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT