Sport

Tanoran’i Talatamaty Tena mamiratra amin’ny taranja tsipy kanetibe


  • Talata 21 Jona 2022

Tena manana tanora mamiratra amin’ny taranja tsipy kanetibe ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Ankoatra an’i Mahandry sy Mampandry izay tovolahy roa iraitampo dia anisan’ireny ihany koa Tendry izay tazana nandray anjara tamin’ilay fifaninana nokarakarain’ny kaominina, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ho an’i Tendry manokana dia efa champion tany Chine tamin’ity taranja ity ny tenany tamin’ny taona 2017. Vice champion du monde tany Barcelone tany Espagne kosa Mahandry tamin’ny taona 2021, tanora samy nivondrona tao amin’ny fikambanana Petanque Club de Talatamaty. Efa champion de tire tamin’ny resaka precison tany Djibouti ihany koa i Tendry…. Nahavory olona marobe tokoa ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ilay lalao fifaninana nokarakarain’ny kaominina nandritra izany, niarahana tamin’ny ligin’Analamanga, fotoana izay nahafahany nizara traikefa tamin’ireo tanora zazalahy namany hafa ihany koa. Nifarana omaly ihany koa ilay lalao baolina kitra ho an’olona 9 nokarakarain’ny kaominina ho an’ny sokajy, vehivavy, lehilahy lehibe ary ny zandriny. Amin’ny 25 Jona ho avy izao avokoa no hatolotra azy ireo ny anjara lokany, ho an’ireo nibata ny amboara.

Pati
Legende : I Tendry sy Mahandry samy manana ny fahaiza-manaony amin’ny taranja tsipy kanetibe, hotronin’ny Ben’ny tanàna eo afovoany


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT