Sport

Tanora mpilalao baolin’Ambohimena Gara sy Moratelo Novatsian-dRakoto Grena baolina sy akanjo filalaovana


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Nahazo baolina filalaovana sy akanjo fanaovana « match » manara-penitra avy amin’Atoa Rakoto Grena mpandraharaha ara-barotra sady mpitatitra fanta-daza avy amin’iny Faritr’Alaotra

 

 

 

Mangoro iny ireo tanora lahy sy vavy mpilalao baolina kitra ao amin’ny fokontanin’Ambanivohitra Ambohimena Gara sy  Moratelo any amin’iny lalam-pirenena 44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka iny. Tamin’ny fandalovana tany amin’ireo toerana ireo tamin’ny herinandro lasa teo no nanoloran’ity mpandraraha ity an’ireo fitaovana ireo noho ny fahatsapany tamin’ny fandalovany matetika tamin’ireo toerana ireo fa tia sy mazoto milalao baolina tokoa ireo tanora ao aminy nefa dia hita ho tena sahirana ara-pitaovana fanatanjahantena. Nampanantena ny mbola hiverina matetitetika any amin’ireo toerana ireo Atoa Rakoto Grena ka hitondra zavatra hafa mbola tsy ampy eo amin’ireo tanora ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT