Sport

Tanjombato Trophy 2015 Ho fampiroboroboana ifotony ny fanatanjahantena iombonana


  • Talata 21 Aprily 2015

Ho fanatsarana ifotony ny fanatanjahantena iraisana ao amin’ny kaominina Tanjombato sy mba hampisongadinana ity kaominina ity ho fitaratry ny Noy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, dia nametraka vina antsoina hoe Tanjombato

 Trophy 2015 ny eny an-toerana eo ambany fitarihan’Atoa Andry Ratsivahiny ka ny taranja Rugby sy ny Baolina kitra no hanombohana izany araka ny firesahan’ity tompomarika ity tamin’ny filohan’ny Federasion’ny Rugby  à  XV, Rakotomalala Marcel,  sy ny Ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Hisy ny Fifaninanana “Grand Tournoi” hokarakaraina fa mialoha izany dia mbola hiatrika fiofanana ireo mpanazatra avy eny an-toerana manomboka ny 27 aprily izao ka hatramin’ny 2 mey 2015. Tsy nisalasala izahay namaly ity antson’ny mpitia fanatanjahantena avy ety Tanjombato ity, hoy i Tôta teny Andoharanofotsy tamin’ny sabotsy teo fa sady hetsika avy ety amin’ny tanàna izy ity no mifandraika amin’ny politikan’ny Ligim-paritry ny baolina kitra eto tarihako eto Analamanga rahateo  amin’ny fampiroboroboana ny fampiitarana ny ambaindain’ny taranja baolina kitra izany. Hahazo diplaoma “1 er degré” ireo mpiofana tafavoaka ary tonga dia hampihatra ny fahaizana norantovina amin’ny fitantanana klioba iray ety amin’ny faritra ao anatin’ilay “Grande tournoi” voalaza teo. Tena mifandraika amin’ny politikam-pampiroboroboana ny taranja rugby ety ifotony koa sy amin’ny tetika “Get into rugby” hotontosaina eny anivon’ny sekoly aza ity hetsika ity, hoy ny teknisianina Atoa Daniel nisolotena ny filohan’ny FMR, ka ankasitrahanay tanteraka. Homena tapakilam-pamantarana ny maha mpanazatra Niveau I hosoniavin’ny IRB ireo hanaraka ny fiofanana ary hampi mbola risihana mihitsy aza mba hitojo ny Niveu II hanatevina an’ireo olona 12 hany manana izany ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT