Taninketsan’ny baolina kitra malagasy

Inoana hitondra fampandrosoana ny tompondaka eran-tany ?


  • Talata 10 Jona 2025

Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy, izay eo ambany

fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia anisan’ny manamarika manokana ity volana ity ny zava-bitan’ireo ankizy malagasy tia baolina kitra, izay naseho tao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Mondial des Pupilles Plomelin » natao tany Bretagne, Frantsa, nanomboka ny 9 may ka hatramin’ny 1 jona 2025, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ho an’ny katita kely latsaky ny 13 taona ity ny FC Nisi sy ny Ajesaia. Fanintelony izao no nandray anjara tamin’izany ny FC Nisi, izay niorina ny taona 2019. Tamin’ity andiany ity dia miisa 64 ny klioba niatrika ny fifaninanana ka nahazo ny laharana faha 39 ny FC Nisi ary nahazo amboara miisa 4. Isany ny amboaran’ny «Fair-play» ary ny mpiandry tsatoby nahatafidirana baolina kely indrindra. Nandresy an’i Brésil tamin’ny isa 2 noho 1 izahay, hoy Rabearivelo Tom Hariniaina, mpilalao afovoany. Isan’ny tena nahafahana nandresy azy ireo, hoy izy, ny herintsaina ambony ary ny firaisankinan’ny ekipa. Mila ezaka manokana ny fanamafisana ny hery ara-batana. 16 no isan’ny ankizy tao amin’ny klioba, izay nahazo tombontsoa goavana nijery akaiky ny fotodrafitrasa any ivelany sy niaina lalao iraisampirenena. Maro ireo «recruteur» na mpizaha mpilalao avy any ivelany nanatrika ny fifaninanana ka antenaina, noho izany, ny fisian’ny fifantenan’izy ireo ireto taninketsan’ny baolina kitra malagasy ireto ary inoana fa hitondra fampandrosoana ho azy ireo koa ity tompondaka erantany ho an’ny katita kely ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT