Taninketsan'ny baolina kitra

Tsara fanombohana ny Akademia FANAMBY


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Azo ambara hoe fahombiazana sahady ny an'ny akademia Fanamby ary tafita ny hafatra

amin'ny hanabeazana sy hanofanana ireo kilonga ho lasa mpilalao baolina matihanina, afaka miatrika ny sehatra iraisam-pirenena.100 mahery ireo tonga teny amin'ny kianja synthétique Akamasoa Père Pedro ny sabotsy lasa teo niatrika ny fitsirihana mba hisafidianana ireo andiany voalohany hofanina sy ho beazaina ao amin'ny Akademia Fanamby. Ireo teraka ny taona 2010, 2011 ary 2012 no voakasik'izany. Hatreto aloha dia noferana ho 25 ireo raisina ary mandritra ny 5 taona ny fanabeazana, tsy ara-panatanjahantena sy baolina kitra ihany fa tena hisy ihany koa ny fanampiana ireo ankizy amin'ny fianarana satria mila sady mahay fianarana no mahay baolina kitra. Efa misy ny fitaovana hanaingana ny fiofanana raha ny tazana ny sabotsy teo.
TEKNISIANA MANANA NY MAHA IZY AZY
Anisan'ireo manampahaizana sy teknisianina hanofana eny amin’ny Akademian’ny baolina kitra FANAMBY i Amada Aboudou, fantatry ny mpankafy baolina kitra kokoa amin'ny hoe : Maître DAMA. Mpilalao baolina kitra nanomboka ny taona 1975 i Maître Dama ka anisan'ny klioba nandalovany ny Cosfap, Cosrom 12. Voafantitra handrafitra ny Club M ekipam-pirenena malagasy izy ny taona 1981 - 1987.Lasa mpanazatra i Maiitre Dama avy eo ka nitantana klioba tahaka ny COSFA sy ny AS Adema , nisy fotoana efa mpanazatra ny ekipam-pirenena Scorpions de Madagascar tamin'izany fotoana .Anisan’ireo mpilalao manana ny maha izy azy efa nobeazin’i Maitre Dama tany amin’ny U17 sy U20, ry Njiva, Rojo, Viavy Paulin, ibrahim Amada, Bapasy, …Nandrafitra ny ekipam-pirenena ireo. Moanazatra ireo Barea eto an-toerana izy amin'izao fotoana. Eo amin'ny resaka fiofanana sy maripahaizana indray dia tena manana i Maitre Dama na ny eto an-toerana na ny avy amin'ny CAF na ny avy amin'ny FIFA.Manampy an'i Maitre Dama amin'ny fitarihana sy fanabeazana ireo kilonga moa i Hary kintan'ny baolina kitra, eo ihany koa i Maitre Zo sy Maitre Tantely.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT