Sport

Taniketsan’ny baolina kitra Mampiroborobo izany koa ny FMF


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Hatramin’ny tapaky ny volana martsa 2020 dia fantatra fa anisan’ireo Federasion’ny Baolina kitra maneran-tany manatanteraka ny tetika "Développement des talents –

 

 

Analyse de l’écosystème du football" voizin’ny FIFA ny FMF Malagasy. Mifototra amin’ny fampitana ireo fototra tsara harahina sy famaliana ny fanontaniana ampitain-davitra mahakasika ny « aspects techniques » eo amin’ny baolina kitra miainga eny amin’ny fototra ka hatrany amin’ny ekipa nasionalin’ny firenena tsirairay na lahy na vavy izany tetikasa izany. Hisy ao anatin’izany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo mpanazatra, Tale Teknika, Talen’ireo ligim-paritra isan’isany, tompon’andraikitry ny baolina kitram-behivavy, mpanolontsaina teknika amin’ny « consultants » manokan’ny FIFA. Any amin’ny faran’ny taona 2020 any, hoy i Arsène Wenger « Directeur du Développement du football mondial », dia hisy fomba fijery hiraisana amin’ny filan’ny baolina kitra lehilahy sy vehivavy maneran-tany ka hitondran’ny FIFA fanampiana eo amin’ny lafiny rehetra mba ho fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra avo lenta ary hampaharitra an’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT