Sport

Tanànan’i Mahajanga Manjaka ny fitaterana amin’ny Bajaj


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Vao miditra ny tanànan’i Mahajanga ianao ankehitriiny dia misongadina ny loko mavomavon’ny Bajaj iray amin’ny fitaovana fitateran’olona hampisain’ny mponina an-davanandro ao amin’ity renivohitry ny voninkazo ity.

Azo lazaina fa manjaka dia manjaka ity fitaovam-pitaterana ity ankehitriny ao Mahajanga ao fa mahatratra hatrany amin’ny manodidina ny 1500 isa izy ireo no manana taratasy fahazoan-dalana amin’izany fitateran’olona izany hany ka zary mahalana dia mahalana sisa (azo isaina amin’ny ratsan-tanana ara-baikiteny) ireo taxi mivezivezy ao amin’ity tanàna ity ary zary lasa mitoko resaka etsy sy eroa sisa ataon’ireo mpitari-posy izay mahalana dia mahalana vao mba misy manontany ankehitrio. Raha ny fanadihadiana natao dia samy hafa ny tompon’ireto Bajaj miasa ao Mahajanga ireto fa misy ny mpamily manana ny azy manokana, ao ireo an’ny Malagasy mpanam-bola efa zatra misahana an’ity fitaterana ity ary ao ireo fananan’ireo vahiny toy ny karana sns… 30.000  ariary no fantatra fa hofan’ny Bajaj isan’andro ao Mahajanga ao. Manomboka amin’ny 1000 ariary isan’olona ny mitaingina azy raha toerana akaikikaiky. Afaka mitondra olona 2  samihafa anefa ny Bajaj iray raha mitovitovy ny lalana aleha ary manaiky an’izany ny olona efa tafiditra mialoha ao anatiny.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT