Sport

Tambin-karaman’ny Barea Mbola ny ampahefany no azo


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Ankoatra ny fisaorana tamin’ny fomba ofisialy ny mpanohana ny ekipam-pirenena rehetra ka nahazoana iny vokatra nahavelom-bolo nandritry ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja

 

 

baolina kitra tontosa tany Ejipta farany teo iny dia namintina ny dingana rehetra nolalovana tamin’izany koa ireo mpiara-miasa mivantana tamin’ny Barea. Nohaazavaina tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny mikasika ireo tambin-karama isan-karazany tokony ho nositrahan’ireo maherifon’ny firenena. Efa azo, raha ny fanazavana, ilay 700 tapitrisa ariary, natolotra voalohany indrindra. Teo koa ireo tambin-karama taorian’ny fahavitan’ny CAN 2019. Nanamafy kosa anefa ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, fa ny ampahefany amin’ireo nampanantenaina hatreto no azon’ny STAFF sy ny mpilalao. Matoky anefa aho, hoy ny tenany fa ho azo tanteraka io rehefa tafapetraka ny biraon’ny federasionina vaovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT