Sport

Tamberina 2015


  • Alatsinainy 04 Janoary 2016

Lalaon’ny Nosy – La Réunion 2015 Fifaninanana narahin-dromoromo, lah-3 i Madagasikara



Tsy nilamina mihitsy tamin’ny ankapobeny ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 natao la Réunion ny 1-9 aogositra 2015 iny. Mbola tsy niainga an-tanindrazana dia efa maro ny olana ka hatrany amin’ny fifaninanana mihitsy.

“Tratra ny tanjona!” hoy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, satria tafiditra lah-3 tokoa i Madagasikara tamin’iny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 tany la Reunion iny saingy,… nampiavaka an’iny indray mitoraka iny indridnra koa ireo olana maro vokatry ny fitavozavozana samihafa. Tsiahivina fa tafavoaka lah-1 i La reunion mpampiantrano, lah-2 i Maorisy ary fah-3 i Madagasikara. Tsiahivina ihany tokoa fa lah-4 I Madagasikara tamin’ny andiany fah-8 tany Seisela ny taona 2011.

Efa hatrany am-piandohana …

Ny fiangana aloha dia efa nisavorovoro be! Niparitaka be mantsy ny fiaingan’ny delegasiona ary tsy vitsy no efa teny Ivato no niverin-dalana. Nisy aza efa teny anabakabaka mihitsy no voatery nitodi-doha niverina noho ny olan’ny fiaramanidina. Ankoatr’izay ireo am-polony vitsivitsy izay tsy lasa mihitsy; atleta, mpitsara, mpanazatra, mpitantana ary mpanao gazety. Tena tsy mbola nisy ohatr’iny aloha tamin’ny tantaran’ny Lalaon’ny Nosy e! Isan’ny fototry ny olana ny fitavozavona tamin’ny fanaovana “visa” asa na efa zatra mangatak’nadro na tena tsy fahafehezana? Aiza no hanantena vokatra tsara amin’ny atleta izay efa nikorontan-tsaina hatrany amin’ny fiaingana. Voalaza tamin’ireny fotoana ireny moa fa 346 farafahakeliny ireo nandrafitra manontolo ny delegasiona Malagasy nankany la Réunion ka 231 no atleta.

Taranja nisongadina

Dimy tamin’ireo taranja 15 nandraisantsika Malagasy no hita fa nisongadina nandritra iny andiany fah-9 tany la Réunion iny. Tsy azo hiodivirana toy ny mahazatra amin’ny fandrombahana medaly volamena betsaka indridnra ny atletisma izay nahazo 16 nandritra ny lalao manontolo. Latsaka efatra tamin’ny andiany fah-8 tany Seisela ny taona 2011. Marihina anefa fa nahena be ny atleta niatrika fifaninanana tany an-toerana. Mamiratra hatrany koa ny fibatana fonjamby izay nahazo medaly volamena sivy ankoatra ireo volafotsy sy alimo. Fa ny taranja tena mendrim-piderana manokana dia ny tenisy izay tsy namotsotra mihitsy fa noraofiny avokoa ireo medaly volamena dimy niadiana. Raha atao indray mitopy maso ny vokatra isan-taranja ankoatr’ireo efa voalaza tetsy ambony dia; medaly voalfotsy rehefa resy tamin’ny famaranana ny Barea vehivavy ary alimo kosa ny an’ny lehilahy, volafotsy avokoa ny baskety lahy sy vavy, volafotsy ny volley vehivavy ary raraka tamin’ny fifanintsanana ny lehilahy, samy alimo kosa ny hand lahy sy vavy. Isan’ireo namiratra ihany koa ny handisport izay nahazo medaly volamena volamena 2 sy volafotsy 6. Samy nahazo volamena tokana avy koa ny lomano sy ny judo. Nionona tamin’ny volafotsy roa ny ady totohondry, alimo tokana ho an’ny tenisy ambony latabatra ary sambany niakatra lapihazo ary nahazo alimo ny hazakazaka am-bisikileta. Tsy namokatra fa nody tanam-polo kosa ny badminton sy voy lakana.

 


 

Dimy nanao pao-telo

Tsara ampahatsiahivina ihany tokoa fa atleta dimy mianadahy, avy amina taranja telo no namiratra indrindra rehefa nody niaraka tamin’ny medaly volamena telo avy teny am-bozonany. Roa ho an’ny atletisam tamin’ny alalan’i Elodie Embony Vanessa (100m, 200m, 4x400m) ary mbola niampy ny alimon’ny 4x100m. Teo koa Razanadrafomba Damien Lorien, tamin’ny 800m, 400m misy fefy, 4x400m. Tao koa ry Andriantsitohaina Erick (-56kg) sy Tojo (-62kg) mirahalahy tamin’ny fibatana fonjamby. Ny atleta fah-5 fa tsy farany dia ilay mpilaravinahitra avy any Frantsa amin’ny taranja tenisy, Rakotondramanga Antso izay niravaka ny medaly olamena tamin’ny fifaninanana an’olontokana, olon-droa lehilahy ary ny isan-tarika.

 


 

Saika ady lehiben’ny Lalaon’ny Nosy…

Nisy ihany koa ireo tranga nandratsy endrika sy saika nampisara-bazana tamin’iny Lalaon’ny Nosy tany la Réunion iny. Isan’izany ny nisitonan’ilay ramatoa renioney lasa nalaza tampoka, Catherine Paoli, tomponandrikitra ao amin’ny komity mpikarakara izay nisintona ny sainam-pirenena teny an-tanan’ny etleta Malagasy iray handray medaly volamena ka niteraka savorovoro diplaomatika goavana. I Kaomaro moa dia tsy niatrika iny Lalaon’ny Nosy iny mihitsy fa nanapa-kevitra ny niala an-daharana taorian’ny nilanjan’i Mayotte ny saina frantsay tamin’ny lanonam-panokafana. Nampitaina tamin’i Kaomaoro ihany anefa ny fanevan’ny Lalao andiany fah-10 manaraka tamin’ny lanonam-pamaranana tany la Réunion saingy tinapaka taty aoriana kely fa hafidnra any Maorisy indray io andiany fah-10 amin’ny 2019 io. Dia izay…


Rasanda Serge

Filaharana:

1-La Réunion (84/72/53=209)

2-Maorisy (66/49/70=185)

3-Madagasikara (36/45/42=123)

4-Seisela (25/40/31=96)

5-Mayotte (2/6/5=13)

6-Maldives (1/2/5=8)

7-Kaomaoro (0/0/0=0)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT