“Tamaboho 2013”

> Hivoy firaisam-pirenena ireo atleta


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013


“Fanatanjahantena an-tsekoly, miara-mientana ho an’ny firaisam-pirenena”. Io no teny filamamatra nampisalorana ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kianja Vélodrome Antsirabe ny sabotsy 07 septambra 2013 lasa teo no sady ihany koa fankalazana ny faha-20 taona nisian’ity hetsika ity teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Manodidina ny 2.000 ny mpandray anjara avy any amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana 22 manerana ny Nosy ka ny 1.550 amin’ireo ny Atleta hifaninana mandritra ny herinandro. Nambaran’ny minisitra Manoro Régis fa misy antony ny nisafidianana ny lohahevitra satria iaraha-mahalala fa fanabeazana no atao ny ankizy ka na fanatanjahantena aza no ataony eto dia ampitaina aminy izay firaisam-pirenena izay. Iaraha-mahalala koa ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, ka hafatra ho an’ny mpanao politika ihany koa no antony. Fa nandritra ity lanonam-panokafana ity lalaon’ny sekoly ity ihany koa no nisaorana ireo nahavita be teo anivon’ny ministera ka nisahana izany fanatanjahantena an-tsekoly izany ka notolorana mariboninahi-pirenena. Nisy koa ny fitokanana ny tsangambaton’ity faha-20 taona ity teo anoloan’ny biraon’ny DREN Vakinankaratra. Amin’ny zoma 13 septambra moa no hifarana ity fifaninanana ity.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT