Sport

TAM Anosibe Nivaingana ny ezaka natao tamin’ny 2017


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Nifampiharahaba sy nifampirary soa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2018 teny Anosizato, ny sabotsy 20 janoary teo, ny fileovana TAM Anosibe rugby manontolo nahitana an’ireo raiamandreny mpitantana, mpanazatra ary mpilalao.

 

Nanolotra ny tso-drano sy ny firariana soa ho an’ny rehetra amin’ny maha-raiamandreny sy maha-« superviseur » ny fileovana azy, Atoa Randrianasolo Désiré izay nanafatrafatra an’ireo tanora mpilalao ao amin’ny TAM mba hifampitarikaka amin’ny soa sy ny tsara dia ho lava velona sy ho tsara fahasalamana. Aoka koa mba hifampiresaka amin’ny mazava, hoy izy, dia ho taom-pahombiazana ny taona 2018. Ny filohan’ny fileovana am-perinasa kosa,Rakotobe Jean Paul , avy eo no nanoritsoritra fohy ny zavatra lasa sy ny dinga vitan’ny TAM tamin’ny taon-dasa ka nilazany fa ny ankamaroan’ny mpilalaon’ny TAM Anosibe na ny 95 % dia miasa mandamina ny Tsena Avaratra ao Anosibe Tsena ao ary ankitsi-po no naneken’ny tenany hitantana azy ireo  ka mbola naneken’ny CUA ny TAM handamina izany indray na dia somary nisy tsy fifankazahoan-kevitra kely aza teo aloha teo. Notsiahiviny ihany koa fa na dia somary nihen-danja kely aza ny laharana azon’ny TAM Anosibe teo amin’ny tontolon’ny lalao rugby fa nitana ny laharana faha-11 izy tamin’ny taona 2014 dia efa nisy ny ezaka sy herim-po natao taty aoriana ka nivaingana izany tamin’ny 2017 lasa iny fa efa niatrika ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga rugby izy ireo tamin’izany ary tsy hiraviravy kosa amin’ity taona 2018 fa hikatsaka ny avo indrindra eto amin’ity fifaninana rugby à XV ity sady efa misy ny olona nilaza ho vonona hanohana ny fileovana manomboka eto izay nandefa solontena nanatrika ny fifampiarahabana natao teny Anosizato io. Nisy ny fiaraha-nisakafo nataon’ny TAM tamin’io sabotsy io sy fanapahana mofo mamy niaraha-nizara ary fizarana akoho iray niaraka tamin’ny vary 3,5 kg sy menaka 1l tamin’izany mba hifalian’ireo mpilalao miaraka amin’ny vady aman-janany sy ny ankohonany avy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT