Talenta hoavin’ny baolina kitra

Lasan’ny KVC Westerlo i Éthan Eliasy


  • Alarobia 21 Mey 2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

na koa hoe Ethan Eliasy dia lasan’ny klioban’ny KVC Westerlo, divizionina voalohany ho an’ny latsaky ny 17 taona ao Belzika, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Baolina kitra eto no resaka. 14 taona ity tovolahy teratany malagasy ity. Efa mirefy 1,83 metatra sahady nefa. Faharoa amin’izao fotoana izao ny filaharan’ity klioba nandray azy ity eo amin’ny fifaninanam-pirenena belza. Nanomboka fiainana vaovao ity tanora manan-talenta ity satria nanao sonia tamin'ny fomba ofisialy niaraka tamin'ny KVC Westerlo mandritry ny roa taona. Klioba miisa 5 sahady hatreto no efa nandalovany dia ny KV Ostend ho an’ny latsaky ny 9 taona na U9, OHL (U11), Saint-Trond (U12 sy U13), Beerschot (U14 sy U15) ary ankehitriny Westerlo (U17). Mpanafika afovoany no toerana misy azy hatreto fa afaka maka ny toeran'ny elatra roa. Mahay mamono baolina tokoa ny tifitra tsara ary mampihaiky ny fifehezana baolina. Efa mampiaiky volana koa ny fahamatorany eo amin'ny kianja. Manana zom-pirenena miisa 4 izy dia ny frantsay sy malagasy tamin'ny alalan'ny rainy, Kongoley sy Belzika tamin'ny reniny. Heverina fa zava-dehibe dien’izao ny fitrandrahana ireo talenta hoavy tahaka an-dry Ethan itony.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT