Nivoaka nandresy tao anatin’ny fahamendrehana tanteraka ny Barean’i Madagasikara
alina nanoloana an-dry zareo ny Crocodile du Nil Soudanais teo amin’ny manasa-dalan’ny CHAN 2025. Fandresena miezinezina tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Toky Niaina mpilalaon’ny COSFA tany amin’ny minitra faha-116, rehefa niaina hirifiry tao anatin’ny 40 minitra farany satria karatra mena ny mpilalaontsika iray. I Toky Niaina izay isan’ny efa nanamarika antsika tamin’ilay daka « tir au but » feno hafetsena anisan’ny nahararaka an’i Kenya. Mendri-piderana ary miezinezina eo amin’ny tantara ny fandresena azon’ny Barea. Nisongadina tao anatin’ity ny herin-tsaina na « force mentale » nananan’ny ekipa Malagasy, izay nivadika ho vokatra tsara ho antsika. Mbola isika aza no nanao ny fifehezam-baolina (51%-49%) sy dia fahita firy, indrindra amina lalao iraisam-pirenena any anaty dingana ambony tahaka ireny no misy ekipam-pirenena milalao 10 ao anatin’ny 40 minitra farany miaraka amin’ny fanalavam-potoana no mivoaka mandresy. Fandraisana anjara faharoa, tamin’ny 2023 tafiditra fahatelo nahazo medaly alimo, amin’ity hanao famaranana, ary ambony ny herintsaina hibatana fandresena. Mitondra hafaliana hatrany ho an’ny Vahoaka Malagasy! Niteraka fientanana saika nanerana an’i Madagasikara, ka raikitra indray ny fivoahana teny an-dalambe, fitondrana sarom-bilany, fanapoahana afomanga ! Ny Barea no hany zavatra tokana mampiombona sy mitondra fifaliana ho an’ny Malagasy hatreto.
NANINDRY SY NIADY HATRAMIN’NY FARANY…
Raha fintinina fohy, nanindry tamin’ny fanafihana sy ny fifehezan-dalao isika tao anatin’ny 15 minitra voalohany, nampiseho fa nanatombo kokoa tamin’ny haavo teknika. Betsaka ireo fanafihana nentin’ny Barea, saingy ny famaranana no olana kely hatrany. Nanomboka nifoha anefa ny Soudanais, ka nahita «coup franc » tsara dia tsara teo amin’ny minitra faha-19 fa avotr’i Toldo. Nanatombo hatrany isika, ka betsaka ireo tokony ho faty…. Nanahirana ny mpifanandrina ny rindran-dalao nentin-dry Bono sy Gregas, ary azo lazaina ho nirindra ny lalaontsika. Betsaka ireo baolina tokony ho faty toy ny an’i Fenohasina teo amin’ny faha-32 minitra, saingy tsy nifanandrify tamin’ny tsato-by ny « coup de tête ». Nampiditra aim-baobao, ka anisany i Toky Ny Aina teo amin’ny faha-64 minitra. Nomen’ny mpitsara ny karatra mena anefa i Fenohasina teo amin’ny minitra faha-79, rehefa tratry ny karatra mavo fanindroany, ka nilalao 10 ny Malagasy. Na izany aza, nifandanja ihany ny lalao, nifamaliana ny fanafihana, ka saika nahafaty baolina nitondra azy tany amin’ny fandresena ny Soudanais teo amin’ny minitra faha-90, saingy diso teo amin’ny famaranana. Izy ireo indray no nanindry kokoa tao anatin’ny fanombohan’ny fanalavam-potoana. Saika namono baolina teo amin’ny faha-6 minitra fa voasakan’i Toldo ny daka nandrivorivorivo, izay niteraka fahavoazana teo amin’ny tanany. Somary nanindry ny Soudanais tao anatin’ny fanalavam-potoana, raha somary niandry valim-panafihana isika, saingy niezaka nanindry, saingy tsy nety nivadika ho isa, saingy nikobana ihany ny haraton’ny Soudanais, rehefa nisy fanafihana tsara dia tsara nofaranan’i Toky Niaina. I Nicolas vodilaharana Malagasy kosa no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra.
Resin’i Maroc tamin’ny « tir au but » 5-3 i Sénégal izay tompondaka farany. Fanamby goavana ho antsika ny famaranana hifadonana amin’ny Maraokanina ny sabotsy 30 aogositra izao ao amin’ny Kianjan’i Kasarini ao Nairobi Kenya. Misaotra Barea ! Alefa Barea
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.