Tafita amin’ny ¼-dalan’ny CHAN 2025

Efa mahazo 2 miliara Ar ny Barea, 15,5 miliara raha mibata ny amboara


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Tafita amin’ny ampahefa-dàlan’ny CHAN 2025 ny Barean’i Madagasikara na mafy aza

ny ady nanoloana Etalons ekipam-pirenen’i Burkina Faso ny alin’ny sabotsy teo. Nandresy 2-1 ny Barea tamin’ny lalao tena nampitaintaina. Raha neverina fa ho mora amintsika ny handresy noho ny fahavononana nasehon’ny ekipam-pirenena ka vao teo amin’ny minitra faha-6 dia nampidi-baolina isika, daka lavitra tany amin’ny 35 metatra nataon’ny Fenohasina Razafimaro, dia sarotra ho antsika ihany ny lalao. Niezaka nanafika sy nanindry ny Burkinabe, ka nivadika ho isa teo amin’ny minitra faha-25 tamin’ny alalan’ny « coup de tete » tsara dia tsaran’i Souleymane Sangaré. Penalty tany amin’ny minitra faha-58 izay matin’i Lalaina Rafanomezantsoa kosa no nitondra antsika tany amin’ny Fandresena. Nanatombo tamin’ny fanafihana sy fifezaham-baolina ny Bourkinabe tamin’ny ankampobeny izay nifehy kokoa ny lalao (56%-44%), nanatombo tamin’ny baolina saika maty tao anaty haratontsika saingy tao anatin’ny heriny tanteraka i Michel Toldo, izay nahasakana baolina tena sarotra miisa 7 be izao, ka nahatonga azy ho voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra teny ambony kianja na « Homme du match » hatrany. Nahavita tifitra 21 ny Burkinabe ka ny 8 tamin’ireo no « cadrés », raha toa ka 10 kosa ny tifitra vitantsika ka ny 3 no « cadrés ». Ny zava-dehibe dia ny fandresena nahafantsika miakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dàlana na nitovy isa tamin’i Mauritanie aza satria samy nanana isa 7, saingy nanatombo tamin’ny baolina tafiditra isika. Hifandonana amin’ny Harambee Stars an’i Kenya izay laharana voalohany tao anatin’ny Vondrona A ny Barea ny zoma 22 aogositra izao. Betsaka ny lesoka tamin’ireo lalao 3 vita, indrindra fa ny fiarovan-tena, ny ao afovoan-kianja, fa mila hamafisina ihany koa ny fanafihana. Irariana mba hahita vahaolana ny mpanazatra Roro Rakotondraibe sy ny mpilalao. Tsiahivina fa nakarin’ny CAF (Confédération Africaine de Football) 32% ny « prime » amin’ity CHAN 2025 ity, ka tafakatra 10,4 tapitrisa dolara izany. Ny ekipa rehetra mandray anjara dia mahazo vola, na dia raraka amin’ny lalaom-bondrona aza voalohany aza. Ireto avy ny fizarana amin’ny antsipiriany: Ny mpandresy hahazo 3,5 tapitrisa dolara na 15, 5 miliara Ar, izany hoe 3 tapitrisa euros. Ny tafita amin’ny famaranana 1,2 tapitrisa dolara na 5,3 miliara Ar eo. Ny laharana fahatelo 700.000 dolara 3,1 miliara Ar ; ny laharana fahaefatra: 600.000 dolara na 2,6 miliara Ar, ny ekipa tafakatra ampahefa-dalana na 2 miliara Ar 450.000 dolara, ary ny nandray anjara ka raraka tamin’ny dingana voalohany 200.000 dolara. Raha raisina amin’io, farafahakeliny izany ny Barea efa mahazo 2miliara Ar raha ny dingana vita hatreto sy sanatria raraka eo, saingy ny irariana dia isika mihitsy no hibata ny amboara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT