Sport

Taekwondo WTF – Tompondaka erantany Raraka avy hatrany i Andy Mahery Loic


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Tsy afa-nanoatra loatra Rasolofo Andy Mahery Loic hany solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany natao tany Chelyabinsk Rosia ary nifarana omaly.

 Nomontsanin’ilay teratany frantsay Barclais Steven tamin’ny isa 15-3 mantsy io solontena malagasy tokana io izay niatrika ny fifanintsanan’ny ady voalohany omaly. Tsiahivina fa efa zatra ady iraisam-pirenena ary efa nahazo medaly alimo tamin’ny fiadiana ny tompondaka erantany io teratany frantsay nifanandrina tamin’i Andy io.

Rasanda Serge

.

Nampitolagaga

Tsy fahita ary tsy nampoizin’ny maro fa nandray anjara nanao fampisehoana nampitolagaga nandritra ny lanonam-panokafan’ny fiadiana ny tompondaka erantanin’ny taekwondo wtf tany Chelyabinsk Rosia ny talata teo ny taekwondo ITF izay haiadin’ny koreana tavaratra. Nanatrika ny fotoana mihitsy ny filohan’ny ITF Ung Chang izay nahazo fanasana manokana. Voalaza fa fanombohan’ny fiaraha-miasa fotsiny ihany izao izay efa tohin’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny federasiona roa tonta teo imason’ny filohan’ny komity iraisam-pirenena olimpika, Thomas Bach. Anisan’ny efa voadinika mihitsy ny fahafahan’ireo mpikatroka an-daniny sy an-kilany avy mandray anjara amin’ny fifaninanan’ny roa tonta fa ny fitsipi-dalaon’ny mpikarakara fotsiny no tsy maintsy hajaina.

Rasanda Serge

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT