Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy cadet, junior ary senior hatao ny sabotsy izao eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no fifaninanana fah-5 karakarain’ny federasiona malagasin’ity taranja ity amin’ity taompilalaovana ity.
Sokajin-danja 30 no voalahatra hifaninanana amin’io ary mahatratra anjatony ireo mpikatroka hiakatra tatami. Ligy fito no namaly ny antso amin’ireo sivy misy dia Analamanga, Atsinanana, Boeny, Vakinankaratra, Betsiboka, Matsiatra ambony ary V7V. Tsy hanana solontena kosa i Diana sy Menabe. Nambaran’ny filohan’ny federasiona Ramantsialonina Andry omaly teny Ivandry fa handefa solontena amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Rosia ny 12-18 mey izao i Madagasikara ka mpikatroka efatra ary mpitantana roa. Anarana dimy kosa anefa no azo avy tamin’ny tale teknika nasionaly Ramanantsoa Narinja, ka telo ny vehivavy dia Rakotondrasoa Hanitra (-49kg), Rabehaja Stephanie (-53kg) ary Razafinimanana Felana (-56kg). Roa kosa ny lehilahy dia Randriamboavonjy Leon (-54kg) sy Rasolofo Andy Mahery Loic (-63kg). Marihina fa isan’ny hifantenana ireo solontena malagasy amin’ny Lalao Afrikana hatao any Congo Brazzaville amin’ny volana septambra koa ity fifaninanam-pirenena ity. Hampiavaka ity fifaninanana nasionaly ity koa ny fampitana mivantana ireo famarananana amin’ny fahitalavitra UTV izay fiarahamiasan’ity farany amin’ny federasiona. Hiroso amin’ny fampivondronana avy hatrany moa ireo mpikatroka voafantina aorian’izao fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izao. Mikasika ireo fandaharam-potoanan’ny federasiona aorian’io fifaninanana nasionaly io dia hifanesy ireo fiofanana maro ho an’ireo atleta, mpitsara ary ligy. Hisy manampahaizana koreana efatra ihany koa ho avy eto hanome fiofanana, tafiditra amin’ny fandaharan’asa “Taekwondo Peace Corps”.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.