Sport

Taekwondo WTF Mandalo eto i Tiavo, ho avy ireo manampahaizana Koreana


  • Talata 28 Jolay 2015

Manambahiny goavana maro amin’ity herinandro ny taranja taekwondo WTF. Efa tonga ny faran’ny herinandro eto ilay malagasy tompon-dakan’i Frantsa sy Eoropa,

 

 Randrianisa Tiavo izay mizaka ny zom-pirenena Frantsay ary mpiaktroka vao sokajy “cadette” mamiratra amin’ny sehatra iraisampirenena. Marihina fa mivoatra any amin’ny klioban’ny Cosma Acreuil Taekwondo ny tovovavy ary efa tompon-dakan’i Frantsa sokajy “cadette” ny taona 2013 ary tompon-dakan’i Frantsa sy Eoropa sokajy “junior” ny taona 2014. Marihina fa vao nandrombaka ny “Open d’Hollande” koa izy ny 17 febroary teo ary nahazo ny medaly volamenan’ny “Open de Turquie” ny 28 febroary teo. Hibanjina ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa sokajy “junior” indray izy izay hatao ny volana oktobra izao. Io no fandraisany anjara fanindroany. Mbola hiatrika fiofanana any Frantsa i Tiavo ny 1-10 aogositra izao hanomanana izany. Ankoatra izay dia manampahaizana manokana efatra teratany Koreana tatsimo no hoavy hampiofana eto Antananarivo ka rahampitso 29 jolay izy ireo no higadona eto. Io fiofanana io moa dia entina hanomanana ny Lalao Afrikana hatao any Congo Brazzaville amin’ny volana septambra.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT