Sport

Taekwondo WTF – Federasiona Nampahafantatra ireo mpikambana vaovao


  • Alatsinainy 21 Desambra 2015

Ankoatra ny fanaovana ireo tatitry ny zava-bita nandritra ny taom-pilalaovana 2015, nanaovana ireo tatitra ara-teknika sy ara-bola ary moraly nandritra ny fivoriana fanaon’ny federasiona isan-taona dia nampahafantarina teny amin’ny foiben’ny

COM Ivandry ny sabotsy teo koa ireo mpikambana vaovao nanolo ny toeran’ireo efatra nesorina nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny federasiona herinandro vitsy lasa izay. Ligy valo tamin’ireo sivy misy no nanatrika io fivoriana io ary nanome fankatoavana 100% ny fitantanan’ny ekipan-dRamanantsialonina Andry filohan’ny federasiona. Nisy koa ireo vao notendrena ka filoha lefitra voalohany, Ramanantsoa Christian izay filohan’ny ligin’Analamanga teo aloha, filoha lefitra faharoa misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena ilay koreanina tatsimo, Won Hiun,  sekretera jeneraly, Rasamison Amel ary tale teknika nasionaly Rakotobe Rivo, tompon’andraikitra teknikan’ny klioba Dynamic ary efa mpanazatra nasionaly teo aloha. Efa nandrafitra ny tetiandron’ny taom-pilalaovana 2016 ny federasiona ka anisan’ny tena goavana ny fiatrehana ny fifaninanana fiadiana ny tapakilan’ny Lalao olimpikan’i Rio 2016 ka ny 5-7 febroary no hanaovana azy io any Agadir Maraoka ary mpikatroka lahy sy vavy iray avy farafahakeliny no heverina halefa amin’io. Mikasika ilay fivoriana natao ny faran’ny herinandro teo dia nanatrika izany ireo solontenan’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena ary afaka 15 andro no hamaliany ny fankatoavana na tsia io fivoriana io.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT