Sport

TAEKWONDO WTF


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Hifarana anio zoma amin’ny hetsika fampakarana grady « Passage de grade »

ny fiofananana nandritra ny hateloana (08-10 aogositra) notontosaina tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina  notarihan’i Me Nicolas de Gonzague « Randriamiandrisoa Nicolas » 5è dan kukkiwon mondial izay mandalo eto amintsika ankehitriny. Mpikatroka 60 avy eto Analamanga no nofanina tamin’ny Poomse tamin’ny andro 1 ary ireo mpitsara taekwondo kosa no nahazo ny anjarany tamin’ny andro faha-2 omaly.

 

ATLETISMA

Norombahin’ilay Italiana vavy Lonah Salpeter tany Berlin ny alarobia teo ny anaramboninahitra tompondakan’i Eoropa amin’ny atletisama 10.000m  (31'43"29). Kenyana no tena fiavian’i  Lonah Salpeter saingy nizaka ny zom-pirenena Italiana izy nanomboka ny taona 2016. Ity no anaram-boninahitra vehivavy voalohany azon’ny Italiana teo amin’ity sokajy ity teo amin’ny tantaran’ny fifaninana Eoropeanina.

 


 

LOMANO

 

Voahosotra ho tompondakan’i Eoropa eo amin’ny taranja Lomano sokajy « 200 m dos » ilay Rosiana  Evgeny Rylov rehefa nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra tany Europe (1'53''36) tany Glasgow Ecosse tamin’ny alarobia 08 aogositra teo. Lavony ilay Polonais Radoslaw Kawecki (1'56''07) nitana ny laharana faha-2 sy ilay Italiana Matteo Restivo (1'56''29). Medaly fanintelony azon’i Rylov ity azony ity taorian’ny nandrombahiny ny medaly volamena teo amin’ny « relais 4x100m nage libre” sy ny medaly volafotsy teo amin’ny “100 m dos” .


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT