Sport

Taekwondo – Tompondakan’i Madagasikara Nanjakan’ireo mpikatrok’Analamanga sy Atsinanana


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Nisongadina ireo mpikatroka avy eto Analamanga sy avy any Atsinanana nandritra ny fiadiana ny tompndakan’i Madagasikara sokajy cadet, junior ary senior lahy sy vavy natao teny amin’ny kianja mitafon’i Mamamasina ny sabotsy teo

. Anaramboninahitra folo no azon’Analamanga ka telo avy tamin’ny anaran’ny Lion sy Dynamic, roa kosa ny an’ny Escapara ary iray avy ny an’ny Gymcenter sy SabNam. Nisongadina koa Antsinnana izay nahazo anaramboninahitra enina ka efatra no nosaloran’ny ATF ary roa ny an’ny BT Atsinanana. Tamin’ny sokajy senior lehilahy no tena nampamiratra an’Atsinanana. Isan’ireo niaro ny voninahtr’ity ligy ity i Manitra (-69kg-BT Atsinanana) sy i Marcellin ATF -58kg) ary Mahefatiana (ATF -74kg). Toy mahazatra koa dia namiratra hatrany tamin’ny poomsae ny Aatkd Analamanga. Hifantoka amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Rosia ny 12-18 mey afaka tapabolana sy ny Lalao afrikana any Congo Brazaville amin’ny septambra indray izao ny federasiona ankoatra ireo fifaninanana sy fiofanana eto an-toerana.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT