Sport

Taekwondo sy Kickboxing Nanantena handrombaka medaly maro, voahilika anefa


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Anisan’ireo taranja nesorina ary tsy hifaninana mandritra ny lalaon’ny nosy andiany faha 11 ho tanterahina eto Madagasikara ny kick boxing sy Taekwondo

Maro amin’ireo mpikatroka ireo taranja ireo no nilaza ny alahelony ny faran’ny herinandro teo vantany vao nahare hoe tsy ho anisan’ireo taranja hifaninana hono ny zavatra fiangalin’izy ireo kanefa efa tena niomana.Ny tena mampalahelo anay, hoy ny mpikatroka taekwondo iray dia efa tena nanomana izahay ary sahinay ny miteny fa ho batain’i Madagasikara ny fandresena amin’io lalaon’ny nosy io, koa nahoana no tonga dia notsoahana tao anaty lisitra fotsiny ny taranjanay ? Vao ny fiandohan’ny volana janoary teo no mpikatroka 400 mianadahy be izao no niatrika ny fifaninanam-pirenena tany Toamasina.Ny fiatrehana ny lalaon’ny nosy no programa manaraka taorian’io dia izao nesorina tao anaty lisitra izao, eto Madagasikara anefa no hatao ny lalao . Ny lalao afrikana sy fifaninana iraisam-pirenena aza nenjehina natrehina, dia lalao eto amintsika indray no nofoanana ve, hoy hatrany ireo mpikatroa Taekwondo. Mitovy amin’izay mihitsy ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny mpikatroka kickboxing Malagasy, isika izay efa nahatafavoaka tompondakan’i Afrika sy tompondaka eran-tany teo amin’ity taranja ity ary raha mbola hoe aty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina izany dia atahorana ny kickboxer Malagasy, fa dia nesorina tao anaty lisitra e . Mahasosotra, mampalahelo no sady mahakivy ny tranga tahaka izao hoy ireo atleta, dia tena mahagaga satria vao ny jeneraly Lylyson izay filohan’ny faritra Sofia ankehitriny no filohan’ny federasion’ny Kickboxing, dia tsy mba afak aniaro ny ekipany mihitsy ve ? Tena azo antoka anefa fa raha nifaninanana ireo taranja roa ireo dia nanjakan’i Madagasikara ary nampiombo isa ny medaly azo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT