Sport

Taekwondo ITF Nahazo fitaovana maro tamin’ny fivoriana tany Etiopia i Madagasikara


  • Zoma 20 Novambra 2015

Niatrika ny fivoriana voalohan’ireo firenena efa misy ny taranja taekwondo ITF tany Addis Abeba, Etiopia ny 11-16 novambra teo ny solontena malagasy tokana,

Rakotoarisoa Tafita izay manana ny grady 3e dan. Ity farany moa dia marihina fa avy amin’ny ITF Madagascar Association. Fivoriana izay natrehin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena ary natokana ho an’ireo tompon’andraikitra teknika sy mpikatroka be galona isaky ny firenena. Nahatratra 400 mahery ireo nanatrika ity fihaonambe voalohany ity. Niompana tamin’ny fametrahana vina sy fandaharan’asa fampiroboroboana ny taekwondo miainga any amin’ny sokajy zandriny ny fiofanana tany an-toerana. Nisy nandritra io fivoriana io ny fanomezana fitaovana ho an’ireo federasiona sy fikambanana nasionaly isaky ny firenena, anisan’izany i Madagasikara izay nahazo aro tanana, aro tongotra, doboka, tempana, tigetra fandaka, aro ranjo ary aro filahiana. Hampiasaina amin’izay fifaninanana hokarakaraina manomboka izao moa ny ankamaroan’ireo fitaovana ireo. Ny sabotsy izao eny Betongolo no hampisehoana ireo fitaovana ireo ampahibemaso. Anisan’ny fandaharam-potoana mirafitra sahady ho an’ny taona ho avy io ny fiofanana sy fifaninanana nasionaly izay hamoahana ireo solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao any Etiopia.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT